ActualitésTsidika

Fampianarana ambony : Nanapaka hevitra ny hanomboka ny taom-pianarana ny Oniversiten’ny Toamasina

Nanapaka hevitra ny hiroso amin’ny taom-pianarana 2022-2023 ny Oniversiten’ny Toamasina tamin’ity herinandro ity. Raha tsiahivina dia tokony efa ny volana novambra 2022 izany taom-pianarana izany no nanomboka saingy noho ny tsy fivalian’ny fitakian’ireo mpampianatra dia najanona izany. Mahatsapa ny olana sedrain’ny mpianatra ireo mpampianatra ka nanomboka ny taom-pianarana ho amin’ity herinandro ity.

« Ho fitsinjovana ny zana-bahoaka dia mianatra manomboka amin’ity herinandro ity ny mpianatra ato amin’ny Oniveristen’i Toamasina. Mbola tsy nivaly ny fitakiana saingy mampalahelo ny mieritreritra ireo tanora ireo izay efa naniry ny hianatra hatrany kanefa tsy afaka ka tsy maintsy izahay no milefitra », hoy ny filohan’ny SECES Sampana Toamasina, Randriamiarinoro Faly Iarivony.

« Efa ela no niandrasana ilay taom-pianarana dia miandry ny fiafarany sahady indray izany. Vao miditra ve dia miandry ny famaritana ny daty hamaranana ny taom-pianarana. Tsy misy fahazotoana hanome sy hizara fahalalana mihitsy izany fa miandry izay fahataperany fotsiny. Toa lasa manenjika fotoana fotsiny fa tsy misy fahazotoana mihitsy », hoy i Ninie, mpianatra ao amin’ny Oniversiten’ny Toamasina naneho ny heviny mahakasika izany.

Ankoatra ny Oniversiten’ny Toamasina dia efa niverina niditra nianatra ny mpianatra tamin’ireo Oniversite hafa toa an’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo Oniversite hafa. Mangataka ny famaliana ny fanagatahan’izy ireo hatrany anefa ireto mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ireto dia ny : fizakantenan’ny oniversite, ny toeram-pampianarana ambony sy ireo foibem-pikarohana Nasionaly. Takiany koa ny fampiarana ny « décret d’application » miisa 5.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire