ActualitésTatitra

France : Ny ray aman-drenin’ilay mpamono olona indray no namono tena

Lehilahy iray antsoina hoe Jérôme Gaillard no namono ny vadiny Magali Blandin tamin’ny volana martsa 2021. Hita tany anaty ala, tany amin’ny kilometatra maromaron’ny trano fonenan’izy ireo ny fatin’io vehivavy io toarian’izany. Nosamborina avy hatrany kosa i Jérôme Gaillard ary nihaiky heloka sy nanazava fa novelesiny tamin’ny « batte de baseball » ny vadiny. Manoloana izany nogadraina tao amin’ny fonja tao Vézin-le-Coquet i Jérôme Gaillard saingy ny alin’ny 31 oktobra dia nananton-tena ny tenany.

Voarohirohy tao anatin’io raharaha io noho ny firaisana tsikombakomba ny ray aman-drenin’io lehilahy io. Tokony hotsaraina amin’ity volana ity izy ireo saingy namono tena ny 7 febroary teo tao amin’ny trano fonenany tao La Turballe (Loire-Atlantique). 73 sy 76 taona izy mivady ireo antsoina hoe Monique sy Jean Gaillard. Nilaza kosa ny mpisolovavan’izy ireo Gwendoline Tenier sy Olivier Pacheu fa namela taratasy ho an’ny ray aman-drenin’i Magali Blandin izy ireo talohan’ny namonoany tena.

Laisser un commentaire