Japon : Manana fomba manokana handrafetany ny zaridainany
Ny « Nihon teien » midika hoe « jardin japonais » dia avy amin’ny fomban-drazan’i Japon fahiny. Mety ho hita ao amin’ny toeram-ponenan’ny olon-tsotra izy, fa mety ho hita amin’ny toerana ho an’ny daholobe ihany koa : valan-javaboahary, toeram-pivavahana, fasana ary lapa.Zava-kanto tena manan-danja sy hajaina ny fandrafetana ny zaridaina ao Japon. Manana « codes esthétiques » manokana miaraka amin’ny « calligraphie » sy ny « lavis » (sary hosodoko) manokana izany. Zaridaina milamina sy mamolavola ary mandika ny natiora mametra ny « artifice » no tena tanjon’izy ireo.Famokarana zava-boahary kely izany no « jardin japonais ». Manome endrika toerana maintso iray misy renirano, farihy, vohitra sns izy. Tsy maintsy ahitana ahitana vato, lomitra (mousses) ary vatokely izany zaridaina izany.
