Dépêches

Nosy Be: Ho avy ao an-toerana ny solotenam-panjakana

01 Aprily, 13h00. Ho avy any Nosy Be anio 1 aprily ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, Tokely Justin, sy ny sekreteram-panjakana misahana ny Zandarmariam-pirenena, Gellé Serge raha ny fampitam-baovao avy amin’ny prefktiora ao an-toerana. Hitondra ny fanatsarana ny mahakasika ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izy ireo ary hiresaka ny momba ny fisokafan’i Nosy Be amin’ny sidina hafa avy any ivelany, ho fampiroborona ny fizahantany.

Laisser un commentaire