Startup Week-end : Hifantoka kokoa amin’ny sehatry ny fanabeazana izany ho amin’ity andiany ity
Hotanterahina eto Antananarivo indray ny andiany faharoa amin’ny Startup week-end Education izay karakaraina ny 20 hatramin’ny 22 janoary. Hifantoka kokoa amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana izany. Ireo mpandraharaha na tanora maro isan-karazany manana hevitra entina havoitra no asaina ho tonga hanatrika izany.
« Lehibe ny tanjona ho amin’ity andiany faharoa ity satria dia ilay miantoka ny fampandrosoana fara tampony mihitsy. Izany tanjona izany dia ny hanolotra orinasa vaovao sy modely vaovao ary fanabeazana ho an’ny folo taona ho avy, hamelomana indray ny sehatry ny fampianarana fampiroboroboana ny fampandrosoana, ary mba hisy fiantraikany amin’ny fiaraha-monina na eo amin’ny lafiny fanabeazana na ny fandraharahana », hoy i Hasina Razafintsalama, mpikarakara ny hetsika.
« Maro ny tombony ho azon’ireo mpandray anajra rehetra ireo. Na eo amin’ny lafiny fanohanana ara-tsaina izany ary misy ihany koa ny lafiny ara-olombelona, izay mety hifaneraserana amin’ny mpamatsy vola na amin’ireo olona izay mitady mpiara-miasa. Mandritra ny 54 ora no hiarahana ka maro ny vokatsoa entina mody aorian’izany », hoy hatrany ny fanazavana.
Fanabeazana no resaka, izany hoe tafiditra amin’izany avokoa ny rehetra satria ny olona tsirairay mety samy manana ny fahaizany afaka entiny manabe ny olona hafa. Ireo tanora mbola mpianatra dia 20 000 ar ny fisoratana anarana alohan’ny 13 janoary ary 30 000 ar kosa aorian’izay. Ireo efa matihanina kosa dia natao ho 40 000 ar ny saram-pisoratana anarana.
Miora Raharisolo
| RépondreRépondre à tousTransférer |
