Dépêches

Rocade Iarivo : Hasiam-panamboarana ka misy fahatapahan-dalana

Dépêche 05 janvier, 13h, Mitohy ny asa fanamboarana ny Rocade Iarivo eo amin’ny faritra Ambohimahitsy hatreo Amoronankona. Ho tapaka araka izany io faritry ny lalana io manomboka ny alatsinainy 9 janoary izao ka hatramin’ny 5 febroary. Ny ilany havanana no hamboarina ny 9 ka hatramin’ny 17 janoary ka ny ilany havia no ho lasa lalana hiraisana. Mifanohitra amin’izany kosa ny 18 janoary ka hatramin’ny 5 feboroary. Entanina araka izany ireo mpampiasa lalana mba hanaraka ny fandaminana izay napetraka mba hahafahan’ny asa mitohy ka ho vita vetivety.

Laisser un commentaire