Fahasalamana : Hanolotra tsikitsiky ho an’olona maro ny « opération smile »
Mankalaza ny faha 40 taonany ny « opération smile » amin’ity taona ity. Ho fankalazany izany dia hanolotra tsikitsiky ho an’ireo manana olana amin’ny vava sy ny aty vava izy ireo. Mikasa hanome fitsaboana manontolo ho an’ireo izay manana izany olana izany izy ireo. Efa aman-jatony ireo olona no nisitraka izany asa soa hataon’ity fikambanana ity izany. Ny tanjona lehibe indrindra amin’izany dia ny fanomezana fiainana vaovao sy fanomezana tsikitsiky indray ireo olona manan izany olana izany.
« Ny fandidiana irery ihany no afaka manala ireny tsy fahatomombanana ireny saingy lafo ny vidiny ka lmety tsy hahatakatra izany avokoa ny olona rehetra. Mandritra ny fankalazana ity faha 40 taona ity dia hanolotra tolotra maimaim-poana toy ny hatrizay izahay. Mahafaly anay ny mahita ireo olona mitsiky sy miova rehefa vita ny fandidiana izay hatao azy ireo. Fanomezana lehibe ho anay ny mahita olona mitsiky ka izany no hataonay hankalazana ity fetinay ity », hoy ny tompon’andraikitry ny Opération Smile eto Madagasikara tamin’ny laha-teniny tamin’ny mpanao gazety.
« Tsy hijanona amin’ny fandidiana sy ny fanolorana fanafody ary fanaraha-maso ihany no hataonay. Manana “psychologue” izahay hanampy ireo olona izay manana olana ka misedra olana hafa eny anivon’ny fiaraha-lmonina toy ny hoe fanilikilihana. Anjaranay ny manome tosika azy ireo ny fomba hiverenany eny anivon’ny fiaraha-monina », hoy hatrany ny fanazavana.
« Ankoatra ny maha sima ny zanako dia mbola voarabiraby sy haratsiana foana izy rehefa milalao. Na efa sitrana aza izy dia lasa manjary saro-kenatra foana sady matahotra sao mbola misy manao izany ihany ka amiko ilaina be io tosika ara-tsaina io », hoy i Marianne, manana zanaka efa nisitraka ity Opération Smile ity.
Firenena maro no efa notoloran’ny mpikambana ao amin’ny Opération Smile tsikitsiky. Tsy ambakan’izany i Madagasikara ka amin’ity volana novambra ity izy ireo no hanatanteraka izany fandidiana izany ho an’olona miisa 160 manerana ny Nosy.
Miora Raharisolo
