Actualités

Mankalaza ny fetim-pirenena Malagasy koa ny any Frantsa.

Hankalaza ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara ny vahoaka Malagasy tsy akanavaka afaka 4 andro. Hisy ny fankalazana isam-paritra sy ny matso ataon’ny manam-pahefana any amin’ireo renivohiparitany 6 eto Madagasikara.

Ho an’ny eto andrenivohitra manokana izao, hetsika voalohany hanokafana sy horaisin’ny Kianja Barea Mahamasina ny matso amin’io fetim-pirenena io. Anisan’ireo hanantanteraka izany fankalazana izany ihany koa ireo teratany malagasy monina ao Frantsa. I Fleury Rakotomalala, filoha mpitarika ny Akhama/Ami Promada sady mpaneho hevitra ao amin’ny tambajotra sosialy no mitarika sy manentana ireo teratany malagasy rehetra monina ao Frantsa mba hifomotoana any Gambais, iray amin’ireo kaominana ao Frantsa ny sabotsy 26 jona ho avy izao hanatanteraka ny fankalazana.

Manomboka amin’ny 11 ora sy sasany ho hiara-hientana amin’izany ireo teratany malagasy mpila ravinahitra any ivelany ireto. Hirariana mba hitondra fiovana sy fahatongavan-tsaina ho an’ny rehetra izany taona 61 efa nankalazana ny fahaleovan-tena malagasy izay toa mbola sarintsariny hatreto fa tsy hita taratra tanteraka.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire