Toetr’andro ato anatin’ny telo andro
22 Jona, 12h00. « Tsy hisy fiovana ny maripana ao anatin’ny telo andro ho avy” hoy ny Météo Madagascar. Mbola hizaka ny hatsiaka avokoa ny faritra maro manerana ny nosy araka ny vinavina ny mety ho toetry ny andro nomeny hatrany, ka manodidina ny 03 – 21°C eo mari-pahana ny maraina ary 17 – 32°C ny tolakandro. Hiseranana orana malefaka ihany koa amin’iny morontsiraka Atsinanana iny, manomboka eo Mahanoro hatrany Antalaha ka mety hihitatra ary hanamaloka ny ilan’ny atsinana’ny afovon-tany. Hiverina ihany koa ny zavona maraina mitsitokotoko amin’ny faritry ny afovoan-tany sy andrefana manomboka ny rahampitso hoy izy ireo hatrany.
