Dépêches

Barea : Efa any Tunisie amin’izao manomana sahady ny CHAN 2023

Dépêche 04 janvier, 11h30, Efa tonga any Tunisie ny Barea an’ny Madagasikara hanoman-tena amin’ny alalan’ny lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinany amin’ny Congo sy Niger. Izany no natao dia aoa antin’ny fanomanan-tena amin’ny fiatrehana ny CHAN 2023 avokoa. Mpilalao miisa 23 sy teknisianina miisa 11 izy ireo no niaraka nisidina any an-toerana. Araka ny efa fantatra moa dia ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary izao no hanatanterahana ny CHAN ka ny 6 sy 9 janoary kosa no hanaovana ireto lalao ara-pirahalahiaana ireto. Araka ny fanazavana hatrany dia ny fitoviana amin’ny toetr’andro eo amin’ny Tunisie sy Algérie no antony nisafidianana ity toerana ity hanatanterahana ny lalao ara-pirahalahiana.

Laisser un commentaire