ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mpiasan’ny American Airlines iray no maty notrohin’ny milin’ny fiaramanidina

Nisehoana loza nahatsiravina tao amin’ny seram-piaramanidina rejionalin’i Montgomery ao Alabama ny faran’ny taona teo. Lehilahy mpiasan’ny American Airlines, izay mpikarakara fiaramanidina ety an-tanety no maty notrohin’ny milina (réacteur) fiaramanidina.

Nanazava ny FAA (Administration fédérale de l’aviation) fa fiaramanidina Embraer E175 an’ny American Airlines, no niteraka io loza io. Nilaza kosa ireto farany, niaraka tamin’ny « Bureau national de la sécurité des transports américains » fa hanokatra fanadihadihana manoloana ny tranga izy ireo. Marihina fa ny Envoy Air no mampiasa io fiaramanidina manao ny zotra 3408, izay tokony nihazo ny seram-piaramanidin’i Dallas Fort Worth, saingy niseho ny loza.

Laisser un commentaire