ActualitésTsidika

Vilihazo : Nahazo tohana fiompiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny tantsaha

Nahazo tosika avy amin’ny fitondram-panjakana ireo tantsaha mpiompy avy ao amin’ny kaominina Vilihazo. Nisy ny fanolorana azy ireo zanak’akoho fakana nofo izay natao hanampiana ireo tantsaha ao an-toerana raha ny voalaza, tamin’ny faran’ny herinanadro teo.

« Misaotra ny fitondram-panjakana mandrakariva ny kaominina sy ireo tantsaha amin’ny fanohanana sy ny fanampiana izay atolony » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.

« Anisan’ny dingana goavana lehibe ho an’ny fampandrosoana eny ifotony ny tahaka izao, izay tena tsy ampy ho an’ny tantsaha dia ny fanampiana sy ny fanomezana fiofanana mba hampivoaran’izy ireo ny fihariany » hoy i Tahiana, tekinisianina amin’ny fambolena sy fiompiana.

Zava-dehibe ho an’ny fampivoarana tokoa ny hetsika tahaka izao. Ilaina ny fanosehana sy fanohanana ireo tantsaha, indrindra fa eo amin’ny lafiny fiompiana. Ity sehatra ity izay tena mahavelona sy afaka hampivoarana ny fivelomana raha ampy ireo teknika sy fanofanana amin’ny fampiarana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire