Ankadikely Ilafy : Mitohy ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina
Mizotra miandalana ny asa fampandrosoana ny tanàna, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny asa fikojakojana ny lalana ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
“Mitohy hatrany ny asa eto anivon’ny kaominina, vita ny fikojakojana ny ampahany voalohany amin’ny lalana Ambohitrarahaba mihazo an’Antanandrano, nohezahina ny hanapenana ireo lavaka amin’ny tara. Ankoatra izay, efa mandeha ihany koa ny fanarenana ny lalana rarivato miakatra ny Rovan’Ilafy” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny fanamboaran-dalana. Rehefa vita tsara avokoa ny foto-drafitr’asa, indrindra ny lalana dia mandroso ny tanàna. Tsara ihany koa ny hamitana izany satria anisan’ny tena mampijaly ny mponina ety ifotony io rehefa fotoam-pahavaratra” hoy i Zo, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Mbola maro ireo lalana mila fanamboarana eny amin’ny fokontany ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Anisan’izany ny lalana ao Ambohipanja Antanandrano, ny ao Ilafy, ary ny ao Ankadikely. Miandry ny fanamboarana izany koa ireo mponina eny an-toerana.
Manitra R.
