Mananjary : Zandary roa voatsatoka antsy, maty ilay nahavanon-doza
Dépêche 04 janvier, 12h15, Zandary roa mpiandry sakana teo amin’ny 15km miala ny kaominina Mananjary no niharan’ny herisetra. Lehilahy iray nilalao karatra teo akaikin’ity sakana ity no nahavanona ny loza. Nisy ny savorovoro teo amin’ireo mpilalao ka niditra an-tsehatra handrava izany ireto mpitandro ny filaminana no izao votsatoka antsy izao. Samy any amin’ny hopitaly mo aizy ireo amin’izao fotoana izao raha miady amin’ny fahafatesana kosa io Zandary iray iozay voa teo amin’ny lohany io. Nosamborina ity nahavanon-doza ary nikasa hitsoaka, voatery niditra tamin’ny fitifirana ny mpitandro ny filaminana ka maty tamin’izay izy rehefa tonga tany amin’ny hopitaly.
