ActualitésTsidika

Alasora : Mila fandaminana ny ora fisokafan’ny biraom-pokontany

Nampimenomenona ny mponina, izay mpivezivezy sy mpikarakara taratasy eny anivon’ny biraon’ny fokontany, eny Amboaroy, kaominina Alasora, ny mahakasika ny ora fivoahan’ny birao sy fiasan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Araka ny voalaza, tsy misokatra araka ny fotoana tokony hiasana ny birao ka ilàna fandaminana ao anatin’izany.

« Efa tao anatin’ny tapa-bolana mahery izao no nivezivezena tety an-toerana fa tsy mbola nisokatra amin’ny fotoana nandehanana tety ny birao. Ka izay no hanaovana antso mba hametrahana fandaminana mahakasika ny ora fiasana mba hialana amin’ny fahaverezam-potoana » hoy i Dina, mponina ao Alasora

« Maro ireo sehatra asa mety hiantseheran’ireo tompon’andraikitra amin’ny fokontany iray. Noho izany indrindra no tokony hametrahana fandaminana na serasera mba hahafahan’ny rehetra miomana mialoha mba hialana ny olana isan-karazany » hoy i Sahondra, mpandraharaha.

Anisan’ny rafitra manana anjara andraikitra lehibe ary voalohany eny ifotony ny fokontany, maro ireo asa aman-draharaha miainga eny ka ilaina fandaminana. Mila jerena akaiky araka izany ny mahakasika ireo fomba fiasa sy ireo olana eny anivon’ny biraon’ny fokontany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire