Alasora : Efa miverina amin’ny laoniny ny jiro EP ao Ambohimarina sy Ambohitanety
Efa miverina amin’ny laoniny ireo jiro EP nahitana tsy fahatomombanana tao amin’ny fokontany Ambohimarina sy Ambohitanety ao amin’ny kaominina Alasora. Nidina teny ifotony nijery ny zava-misy ary nitondra fanamboarana ireo tomponandraikitra tamin’ity herinandro ity, araka ny voalaza.
« nisy ny tsy fahatomombanana teo amin’ireo jiro tety amin’ireo fokontany roa ka rehefa nozahan’ireo teknisianina sy tomponandraikitra avy amin’ny kaominina sy ny jirama dia efa niverina amin’ny laoniny ny hazavana ety an-toerana » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.
« Ilaina foana ny mikojakoja sy manara-maso itony fitaovana itony. Natao ho an’ny daholo be izy ireny ka samy tomponandraikitra ny tsirairay amin’ny fikojakojana sy ny fikolokoloana azy » hoy i Fara, mponina ao Ambohimarina.
Zava-dehibe ho an’ny isam-pokotany ny fananana ny jiro EP ireto. Anisan’ny antoka iray miaro ny mponina amin’ny lafin’ny tsy fandriam-pahalemana ny hazavana. Ankoatra izay, manampy ny mponina amin’ny tsy fisian’ny jiro vokatry ny delestazy ihany koa.
