ActualitésTsidika

Fahasalamana : Kitapon-drà 6632 no azon’ny Ministera

Nomen’ny Surpham kitapon-drà 6632 ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Marihina fa isan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-pahasalamana amin’ny Ministera ity sampana iray ity.

« Mankasitraka ny Mpiara-miombon’antoka Surpham nanolotra ireo kitapon-drà ireto. Hozaraina amin’ireo CTC maro manerana ny Nosy ireto fanampiana rà ieto hamonjena ny ain’ireo Malagasy mila izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Tsy mikely soroka araka izany ny Fitondram-panjakana ankehitriny mikaroka ireo fiaraha-miasa ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny Vahoaka. Harena ny fahasalamana ary tsy tokony ho atao ambanin-javatra » hoy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika.

Fanomezana sy fanavotana aina tokoa ny fanomezana rà. Betsaka ny olona mila izany sy mitady izany eto amintsika.

Laisser un commentaire