ActualitésTsidika

Morondava : Olona roa no namoy ny ainy nohon’ny hetraketraka nataon’ireo dahalo

Teratany frantsay iray 67 taona no maty voatifitra teo ambany tratrany sy amin’ny lohany vokatry ny fanafihana nitranga ny faran’ny herin’andro lasa teo, tao amin’ny fokontany Ankijabe, kaominina Bemangonga, distrikan’i Morondava. Marihina fa maty nandritra ny fanarahan-dia koa ny lehiben’ny « Jama » any an-toerana.

« Efa miezaka mafy ireo mpitandro filaminana mandray ny andraikitra manandrify azy manoloana ny tranga tahak’izao » hoy izy ireo. « Tsy hay intsony na hasomparana tsotr’izao na nohon’ny tsy fananana no navitana loza tahak’izao, tena efa misy biby mihintsy ireo olona tsy manana fo antra akory fa ny azy ihany no fantany ka izay ahazoany izay tadiaviny no ataony » hoy i Hery mponina ao Morondava.

Mila hatrany manoloana ny trangan-javatra toy izao. Miezaka hatrany ireo mpitandro filaminana ny manao ny asany.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire