ActualitésTsidika

Ambohimanga rova: Roa lahy natelin’ny rano, tao amin’ny renirano Marofara

Nitrangana loza indray tao amin’ny renirano Marofara, ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Roa lahy no maty natelin’ny rano tamin’izany. Tsy vao voalohany no nisehoana loza tahaka izao tao an-toerana, araka ny voalaza.

“Mila mitandrina ny tsirairay amin’ny renirano tahaka izao satria mety hampidi-doza ny tampoka. Tamin’ny folo taona lasa no nisy ankizy mpianatry ny CEG Ambohimanga rova ity rano ity, ka izao nisehoana loza izao indray” hoy i Tolotra, nanatri-maso ny zava-nisy.

“ Tena mampalahelo ny zava-mitranga tahaka izao. Ny mety dia tokony atao faritra tsy azo aleha intsony ny manodidina io rano io na ihany koa mba hanaovana fomba efa maro ihany izany maty nalentik’io rano io izay » hoy i Ravaka, mponina ao Ambohimanga rova.

Maro ny loza an-drano miseho, indrindra amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao. Mila mailo sy mitandrina ny rehetra, fa indrindra ihany koa tokony hanaja ireo toerana satria mbola misy tokoa ny faritra manan-jina sy hasina raha eto Analamanga, ka tsy tokony ho tsinontsinoavina.

Laisser un commentaire