ActualitésTatitra

Inde : Olana ara-elektronika no nitarika ilay loza an-dalam-by tao Odisha

Nisehoana lozam-pifamoivoizana fiaran-dalamby telo tao Odisha, tao Inde ny faran’ny herianndro teo. Fiaran-dalamby nitondra entana iray no nifandoana tamin’ny fiaran-dalamby mpitondra olona roa tao Balasore, 200 kilometatra miala ny renivohitra Bhubaneswar raha ny fanazavan’ny solotenan’ny governemanta Pradeep Jena.

Manoloana ny tranga dia olona 288 no namoy ny ainy. Isa vonjimaika ihany nefa izany ary mety hiakatra 380 noho ny fiasan’ireo olona mbola tsy hita ary mbola karohana hoy ny tale jeneraly ny famonoana afo ao Odisha, Sudhanshu Sarangi. Olona manodidina ny 900 kosa no naratra raha ny fanamafisany.

Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny raharaha kosa dia olana teo amin’ny « système électronique d’aiguillage » no niteraka io loza goavana an-dalamby teo amin’ny tantaran’i Inde io.

Laisser un commentaire