Corée du Nord : Maniry ny ho lasa firenena matanjaka ara-nokleary indrindra eran-tany
Nilaza ny filoha Kim Jong-Un nandritra ny fisafoana tao amin’ny toeram-panaovan’andrana ilay « missile balistique intercontinental Hwasong-17 » fa hamaly ara-nokleary ny fandrahonan’i Etats-Unis amin’i Corée du Nord. Antony namolavolana ny « missile balistique intercontinental ».
Nilaza izy fa isan’ireo balafomanga matanjaka indrindra eran-tany io Hwasong-17 ka nanome fankasitrahana ireo tompon’andraikitra sy siantifika maro nanampy tamin’ny famolavolana sy ny fandefasana izany izy. Nanamafy ihany koa i Kim Jong-Un fa maniry ny ahatongavan’i Corée du Nord firenena matanjaka ara-nokleary indrindra eran-tany. Ho an’ny fiarovana azo antoka ny voninahitra, fiandrianam-pirenena ary ny vahoakan’i Corée du Nord no anton’io tanjona io raha ny fanazavany.
