Vilihazo : Hanomboka amin’ny 12 desambra ny fanatanterahana ny fanomezana kopia faobe, andiany manaraka
Taorian’ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny fanomezana kopia sy karapanondrom-pirenena faobe, izay notontosaina teny anivon’ny biraon’ny distrika tamin’ny herinandro lasa teo, ho an’ireo mponina ato amin’ny distrikan’Avaradrano, ny Alatsinainy 12 desambra 2022 izao no hanatanterahana ny fanomezana izany ho an’ny ao amin’ny kaominina Vilihazo, raha ny voalaza.
« Hiroso amin’ny andiany manaraka amin’ny fanomezana kopia sy kara-panondrom-pirenena maimaim-poana, araka ny efa nampanantenaina ireo mponina, ny eto amin’ny kaominina Vilihazo. Koa entanina sahady ireo tsy mbola nahavita nanamboatra izany na ireo tsy mbola manana amin’ny fanamboarana izany amin’izao andiany izao » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
« Ilaina dia ilaina ny hetsika tahaka izao, ary tokony hatao mafy ny fanentanana ireo mponina amin’ny tokony hanaovana izany. Anisan’ny olana tsy maharisika ny olona hanamboatra karatra na ny kopia ny tsy fahamafisan’ny lalànan’ny fampiasana ny karapanondrom-pirenena sy ny antony ilàna izany eto amintsika » hoy i Patrick, mpandalina mahakasika ny fiaraha-monina.
Nandritra ity lanonana fanokana ofisialy ity moa, dia tonga maro ireo mponina avy any amin’ireo kaominina manodidina nanatrika izany fotoana izany ary maro ireo nisitraka izany fanomezana izany maimaim-poana teny an-toerana.
Manitra Ramanantsoa
