Foto-drafitr’asa : Hanangana trano miady amin’ny rivo-doza aman’arivony amin’ity taona ity
Hisitraka trano mafy sady afaka miady amin’ny rivo-doza ny mponina any amin’iny ilany Atsinanan’ny Madagasikara iny. Iny faritra iny izay marefo hatrany rehefa vanim-potoan’ny rivo-doza. Ankoatra ireo trano izay hovidiana ka haloa tsikelikely dia hiroso amin’ity karazana tetik’asa ity indray ny fitondram-panjakana.
Efa miisa 104 amin’izao ireo trano nentim-paharazana no navaozina ka nanome trano afaka miady amin’ny rivo-doza izay efa afaka hampiasaina tanteraka. Hiisa 1 500 ihany koa ny trano hafa mbola haorina any amin’iny ilany atsinanana iny izay hitovy amin’ny firafitr’ireo efa mitsangana ireo. Ny tena tanjona moa dia ahafahana miaro ny vahoaka amin’ireo loza voajanahary tsy amintsy misy isan-taona.
« Tsara ilay fandraisana andraikitra, saingy mitaky asa be izany. Tsy vita vetivety sady tsy vita mora. Misy ihanyb koa anefa ireo mpisehatra afaka ahetsika raha ten any fampandorosoana no ilaina. Tsy tokony hitady mpandraharaha vahiny intsony fa ny Malagasy ihany no tohanana amin’ireo asa ireo. Mahavita izany ny manam-pahaizana », hoy i Andry, mpandraharaha amin’ny sehatray ny BTP.
Fananganana foto-drafitr’asa isan-karazany no antoka iray hitan’ny Fitondram-panjakana hampandrosoana an’ny Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny tanàna vaovao, ny fotodrafitr’asa mahakasika ny fanadiovana sy ny fidiovana… Ilaina izany, mbola anisan’ny ilaina mihoatra lavitra noho izany ny fanohanana ny mpandraharaha hamorona asa ho an’ny vahoaka Malagasy.
Miora Raharisolo
