Dépêches

Fanatanjahantena : Niondrika nanoloana an’ny Serbie sy Allemagne ny Ankoay 3*3

Dépêche 31 mai, 11h, Nanomboka omaly ny lalao iraisam-pirenena amin’ny taranja Basket lalaovin’olona telo. Mandray anjara amin’izany ny Ankoay ary efa niakatra kianja omaly alina nifanandrina tamin’ny Serbie sy Allemagne. Resin’i Serbie tamin’ny isa 29 noho ny 9 izy ireo ary resin’i Allemagne ihany koa tamin’ny isa 20 noho ny 16. Marihina fa ao amin’ny vondrona A no ahitana an’ny Madagasikara miaraka amin’ny Serbie, Allemagne ary Brésil sy France. Amin’izao fotoana izao dia i Brésil no lohalaharana ato amin’ity vondrona ity. Hifanandrina amin’ireto farany iretko kosa ny Akoay ho an’ny rahampitso. Tsar any mampatsiahy fa izay efatra voalohany isaky ny vondrona ihany no afaka hiatrika ny lalao manaraka. Alefa Ankoay.

Laisser un commentaire