Fahasalamana: Hisy ny varavarana misokatra eny amin’ny hopitaly rehetra manerana ny nosy
27 Septambra, Hisy ny hetsika varavarana misokatra eny amin’ireo hopitalim-panjakana rehetra manerana ny nosy, manomboka rahampitso 28 septambra 2023. Aharitra telo andro ny hetsika. Tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana no hiseho mandritra izany ka hisy ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, fandidiana hernie ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona ary ny fandidiana sima lanilany.
