ActualitésTsidika

Anosy Avaratra: Hisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana manomboka rahampitso

Hisy ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana izay ataolotry ny ministera misahana ny fahasalamana, manomboka rahampitso 28 septambra, ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Fizahana ara-pahasalamana, fitiliana ary fitsaboana ireo karazan’aretina maro no ho hita eny an-toerana, araka ny voalaza.

“Manomboka rahampitso 28 septambra ka hatramin’ny 30 septambra, ety amin’ny Hopitaly Anosy Avaratra, hisy tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana izay hizahana ireo marary na ankizy na olon-dehibe. Natao indrindra ho an’ny mponina sy ny manodidina ka hanentanana ny rehetra ho tonga maro” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Anisan’ny mahaliana ny hetsika tahaka izao. Ny ankamaroan’ny mponina aza dia miandry ny tolotra maimaim-poana mba hitsaboana ny aretina sy hizahana ny fahasalamana satria efa tsy mahatakatra ny saram-pizahana eny amin’ny tobi-pahasalamana. Hisaorana ny tomponandraikitra manolotra ny hetsika” hoy i Ando, mponina ao Anosy Avaratra.

Mandritra izany hetsika izany moa dia hisy ny fitiliana diabeta, fitiliana VIH/SIDA, ny echographie, ny fanalana nify, fandidiana hernie sy fente labiale, izay maimaim-poana avokoa.

Manitra R.

Laisser un commentaire