ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Notanana am-ponja ireo olon-dratsy mpamaky trano

Lehilahy iray no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao amin’ny fokontany Ambohimasina, kaominina Ambohimalaza, ny faran’ny herinandro teo. Niaiky ny heloka vitany manoloana ny fitsarana ity farany ka voatazona am-ponja vonjimaika, araka ny voalaza.

« Ny 24 aprily teo no tratra ambodiomby teo ampamakiana trano iray ity lehilahy ity, izay marihina fa vao nivoaka ny fonja vao tsy ela. Niaiky ny fandikan-dalàna nataony izy nandritra ny fanadihadiana natao azy ary nanondro ny namany mpiara-manao ny asa ratsy aminy, voasambotra teny amin’ny faritra Ambatomaro » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

« Nandritra ny famotorana azy ireo ihany koa, fantatra fa tsy ny famakiana trano ihany no ataon’ireto olon-dratsy fa anisan’ireo tompon’antoka amin’ny fanendahana eny amin’ny fokontany Ambohimahitsy sy Ikianja, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ihany koa izy ireo » hoy hatrany ny fanazavana.

Eo anatrehan’izany ny mpitandro filaminana dia manentanan ny mponina hatrany ho mailo ary hiara-hientana amin’ny tana-maron’ny fandriam-pahalemana, hifanome vaovao amin’ny mpitandro filaminana raha misy ny tranga hafahafa entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

Manitra R.

Laisser un commentaire