ActualitésTatitra

Coupe du Monde : Resin’i Angleterre 20 no ho 0 i Lettonie

Resin’i Angleterre 20 no ho 0 i Lettonie ny talata teo nandritra ny fifanitsanana fiadiana ny Coupe du Monde vehivavy. Nandritra ny folo minitra voalohany dia efa nahatafiditra baolina 3 ireto mpilalao anglisy ireto ary nitafiakatra 8 izany talohan’ny fizaram-potoana faharoa ka tafiakatra 20.Mbola i Madagasikara kosa nefa no mitana ny isa nifanalavitra indrindra teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra. Tamin’ny 31 oktobra 2002, nandritra ny fifandonan’ny AS Adema sy Stade Olympique de l’Emyrne tamin’ny fifaninana Championnat de Madagascar de football izay nandresen’ny AS Adema 149 isa no ho 0 ny Stade Olympique de l’Emyrne.

Laisser un commentaire