Ny biby mampidi-doza ny olombelona indrindra
Maro be ireo biby mampatahotra sy mampidi-doza ny olombelona. Ilay akaiky indrindra azy nefa tsy dia heverina loatra nefa no voasokajy ho lohalaharana amin’izany dia ny moka. Izy no biby mampidi-doza indrindra ny olombelona raha ny OMS noho izy manono olona maherin’ny 725 000 isan-taona.Manono olona maro amina firenena maro izy, indrindra aty Afrique sy ao Asie. Maro be ireo aretina aterany ary tena mahafaty, anisan’izany ny tazomoka, ny tazovony, ny « dengue » ary ny « chikungunya ». Manaraka azy kosa ny « schistosome » izay miteraka bilarziozy ary mahafaty olona maherin’ny 280 000 isan-taona. Fahatelo aorian’ireo kosa ny bibilava izay mahafaty 94 000 hatramin’ny 125 000 isan-taona.
