ActualitésTsidika

Masindray : Mbola mitohy isaky ny alahady ny fifaninanan-kira

Mbola misy foana ny fifaninanana an-kira isaky ny alahady ao Masindray. Azo atao ihany koa ny misoratra anarana eny an-toerana rehefa tonga eny.

« Tena liana amin’ilay fifaninana izahay. Tena mahafinaritra ny tahaka izao fa manatsara hatrany ny talenta sy ny fahaiza-manao. Antenaina hitohy foana ny tahaka izao » hoy i Laura, isan’ny mpandray anjara. « Misy ny loka hozaraina amin’ireo telo voalohany. Ny 26 jona izao ny lalao famaranana, ary mbola mitohy foana ny fifantenana isaky ny alahady amin’ny 01 ora tolakandro » hoy ny mpikarakara.

Tsy vitsy tokoa ireo tanora liana amin’ity hetsika ity, eny fa na ny avy ivelan’ny kaominina aza. Ny fotoana tokoa mantsy ny fifaninana tahaka izao no hampisehoana ireo talenta miafina rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire