ActualitésTsidika

Eco-Foot : Azon’ny rehetra atao ny manatrika ny hetsika ao Masindray  

Tafiditra ao anaty kilalao iombonana ny baolina kitra. Ilaina ihany koa ny kilalao iombonana hafa ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra mba hanana’ny ankizy saina matsilo sy mahay milalao main’ny hafa. Izany indrindra no tanjon’ny Eco Foot ao Masindray.

« Ny filalaovana baolina kitra dia tafiditra ao anatin’ireo kilalao iombonana. Sady mampiala voly no mampitombo ny fifandraisana amin’ny namana izany. Mandray anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana koa ny kilalao iombonana satria tsy mitaky fampiasa angovo na herinaratra » hoy i Stephania, tompon’andraikitra ao amin’ny Eco-foot. « Isaky ny zoma ireo hetsika atao hampandrosoana ireo ankizy ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra. Azon’ny rehetra atao ny manatrika izany mba hofanohanana ireo zandry sy zanaka ao anatin’ny tontolo » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.

Tanora mpilatsaka an-tsitra-po no manatevin-daharana ny ekipan’ny Eco-foot amin’ny fitarihana ireo zandry ao anatin’ny baolina kitra. Hirariana mba handroso hatrany ny ekipa ary hiparitaka manerana ny kaominina rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire