Masindray: Mpamaky trano roa lahy, tratra teny Imeritsiadino
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Masindray. Mpamaky trano roa lahy no saron’ny zandary avy ao brigadin’ny zandarimariam-pirenena Ankadinandriana, poste avancé Masindray, ny marain’ny talata 02 may teo.
» Rehefa avy nanatanteraka ny asa ratsiny tao amin’ny tokantrano iray tao Imeritsiadino, ao amin’ny kaominina ireto roa lahy ireto, tsy lasa lavitra akory dia tratran’ny zandary niaraka tamin’ireo entana nangalariny » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Anisan’ny tranga mampalahelo no mampiheritreritra fa dia mihatanora hatrany ireo sahy manatanteraka asa ratsy. Tsy hay na noho ny tsy fisian’ny asa tokoa ve sa vokatry ny tsy fahazakana fiainana no anton’izao » hoy i Liva, mponina ao Masindray.
Antso nataon’ireo olona tsara sitrapo teny amin’ny manodidina no nahafahana nisambotra malaky ireto olon-dratsy ireto. Izany moa dia vokatry ny fizarana ny laharana findain’ny mpitandro filaminana. Etsy ankilany, manentana ny mponina ho mailo sy hiara-hiasa amin’izy ireo hatrany ny mpitandro filaminana.
Manitra R.
