SocialTsidika

Nahazo tohana ara-bola ireo very asa

Mpiasa miisa 16 000 eo ho eo ny mpikambana ao amin’ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny Fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS no very asa noho ny krizy ara-pahasalamana ary tsy mbola tafaverina miasa hatramin’izao noho ny orinasa niasan’izy ireo tsy mbola tafarina.

Omen’ny CNaPS tohana ara-bola mitentina 175 000 Ariary isan’olona izy ireo. « Tena latsaka tao anaty anaty fahasahiranana tokoa izahay tamin’ilay krizy teo na hatramin’izao aza mbola tsy miverina amin’ny laoniny ny fiainanay » hoy i Hery, mpikambana ao amin’ny CNaPS. « Vola tsy averina izy io ary ireo mpikambana ao amin’ny CNaPS sy nahavita nandoa ny latsakemboka telovolana fahatelo sy fahaefatra ny taona 2020 no afaka hisitraka ity tohana ara-bola ity, miampy ny taratasy fanamarinana fandroahana, ary tsy mbola voaray hiasa any an-kafa teo anelanelan’ny 1 janoary hatramin’ny 31 aogositra 2021 » hoy ny avy ao amin’ny CNaPS.

« Ny volan’izy ireo ihany anie izany no hanajana azy, izao no mahatsara ny fiantohana satria rehefa tojo olana isika dia manavotra ziy ireny » hoy i Patrick, mpandraharaha. Marihina fa efa nanomboka ny 1 septambra teo ny fizarana, ary hitohy hatramin’ny 31 oktobra 2021.

Azo lazaina ho tena miantoka sy manavotra ireo tsy an’asa sy very asa tokoa ve izany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire