Mbola anaty ny aretina Pesta ny any Arivonimamo
Olona iray indray no ahiahiana fa maty ny peste tao amin’ny fokontany Bongavato, kaominana Mahatsinjo Antsinanana ny 8 septambra lasa teo. Latsaka ao anatin’ny tahotra sy ny horohoro tanteraka ny mponina ao amin’ny distrikan’Arivonimamo ankehitriny satria mirongatra izay tsy izy ny petse izay efa namono olona miisa fito hatreto tao Miandrahandra.
« Mbola tsy voafehy ny aretina satria olona iray indray no ahiahiana fa maty ny pesta tao amin’ny fokontany Mahatsinjo kaominana Bongavato » hoy i Feno, mpitsabo any an-toerana. « Isan’ny aretina izay mamono olona ao anatin’ny fotoana fohy ny pesta ary mamindra haingana ihany koa, raha sanatria anefa ka tsy voatsabo ara-potoana ilay marary dia mety haingana be ny fihombony » hoy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana tonga nizaha ny zava-misy any an-toerana.
« Mila fohanana eto amintsika mihitsy ny resaka famadihana satria io no tena mampirongatra ity pesta ity » hoy i Bakoly, mponina any ambanivohitra naneho ny heviny mikasika izao pesta miparitaka any Arivonimamo izao. Efa nandeha avy hatrany any antoerana avokoa ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana avy amin’ny district Arivonimamo toy ny « medicin inpecteur » sy ny « Institut Pasteur » mijery manokana ny mahakasika ity zavamisy ity ary ihany koa ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Inona tokoa àry no tena nampivoaka ny aretina pesta tahaka izao?
Nicole Rafalimananjara
