By Pass : Nitsoaka ilay kodiaran-droa nandona olona
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny By Pass ny marainan’ny 30 martsa tamin’ny 5 ora sy sasany teo. Kodiaran-droa iray no nandona lehilahy iray.
« Nodimin’ny kodiaran-droa i Ramamonjisoa Marie Pierre. Nitsoaka ilay moto avy eo. Naratra kosa ilay voadoana » hoy i Melanie, mponina eny amin’ny manodidina. « Tokony hisy foana ny fandraisana andraikitra avy amin’ny nandona mba ho fialantsiny sy ho fanonerana ny tsy fitandremana nataony. Diso foana ny nandona rehefa miala andraikitra tahaka izao » hoy i Nary, mponina ao Alasora. Efa nantsoina ny havan’ny naratra, izay monina eny Alasora. Hisy kosa ny fanadihadihana ho ataon’ny tompon’andraikitra momba ity raharaha ity.
Nicole Rafalimananjara
