Dépêches

Moramanga : Tontosa ny fametrahana fehezam-boninkazo ho an’ny mahery fo

30 Martsa, 10h00. « Ilo tsy very tsy maty ao am-po ny fanavotana ny firenena » no lohahevitra nentina nanamarihana ny faha 75 taonan’ny andro fahatsiarovana an’ireo nitolona ho an’ny tanindrazana tamin’ny 29 martsa 1947. Tontosa tany Moramanga omaly 29 martsa ny fametrahana fehezam-boninkazo teny amin’ny fasan’ny mahery fo. Ny praiministra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian no nitarika ny lanonana, niaraka tamin’ny ministrin’ny filaminam-bahoaka Général Serge Gelle, ny olo-manan-kaja, ny sivily, ny miaramila, ary nontronon’ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro. Nisy ny lanonana ara-miaramila, nialohavana fotoam-bavaka ary lahateny nifandimbiasana nanamarihana izany.

Laisser un commentaire