Mahajanga : Tapaka tongotr’olona iray hita teny amoron-dranomasina
30 Martsa, 09h00. Ila tongotr’olona efa tapaka no hita teny amoron-dranomasin’i Mahajanga, omaly atoandro. Heverina nisy nametraka tao ambany vato io tongotra io. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia am-behivavy ilay ila-tongotra, raha ny firafiny sy ny habehany no dinihina. Miandry ny fitsirihana ataon’ny BMH, izay efa tonga teny an-toerana ny omaly ihany, ireo fokonolona mba ahafahana mahafantatra ny tena marina mikasika io raharaha io.
