Lapan’Ambohitsirohitra: Ametahana jiro hahafahana manazava ny toerana.
Dépêche 07 octobre, 14h30, Ho fiarovana ity lapa ity, ho fitsinjovana ireo entana ao sy ireo fitaovana rehetra ao anatiny dia nanatanteraka asa mahakasika izany teny ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Angovo sy akoran’afo. Nametrahana jiro “cobra” tao an-toerana noho izany ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ministera no misalahy amin’izany.
