Ambohimangakely: Manosika ny tanora anatin’ny sehatr’asa ny BTC
Ao anatin’ny iray volana hanomezana ny fiofanana maimaim-poana ny BTC Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Maimaim-poana avokoa ireo taranja sy hetsika rehetra nahafantarana ny BTC Ambohimangakely hatramin’izay, mandritra ny volana oktobra, toy ny taranja informatika, ny teny vahiny, ny fampianarana lakozia sy ny mofo mamy, ny tefy vy, ny plomberie de base, ny fitaizam-batana, ny tontolon’ny fandraharahana, sy ny maro hafa. Mpampianatra manana traikefa sy efa ela nampianarana avokoa no mampianatra ao an-toerana.
“Tsy fianarana fotsiny no hita ato amin’ny BTC na hoe fanomezana certificat fa manome fiofanana, manosika ireo tanora mihitsy ho amin’ny sehatry ny asa. Maro ireo sehatra afaka trandrahana ato amin’ny BTC ary anisan’ny manosika azy ireo ny ivon-toerana mba hanana traik’efa ho zatra asa, hanana ny fahaiza-manao ilaina rehefa hitady asa” hoy I Jessicat, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.
“Anisan’ny mampiavaka ny ato amin’ny BTC dia ny fampiharana no tena atao fa tsy mandray an-tsoratra sy mianatra amin’ny penina sy taratasy intsony ireo mpianatra, ilaina ihany izany fa ho an’ny naoty. Efa maro ireo mpianatra no nahita fahombiazana ary tsy ny avy eto an-drenivohitra ihany no tonga mianatra fan a ireo avy any amin’ny faritra aza” hoy I Romain, mpampianatra Lakozia ao amin’ny BTC.
Ialaina tokoa ny sehatra tahaka izao mba hanampiana ny tanora malagasy, indindra mba hampivelarana ny sehatr’asa eto amintsika. Maro an’isa ny tanora tsy an’asa eto madagsikara ka tokony hamporisihana hatrany mba hivelatra amin’ny sehatry ny asa mba hitondra fandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
