Ethiopie : Atleta sangany i Haile Gebrselassie
Atleta misahana manokana ny hazakazaka lavitr’ezaka (courses de fond) i Haile Gebrselassie. Teraka ny 18 aprily 1973 tao Arsi izy. Sangany eo amin’ny taranjany i Haile Gebrselassie, efa nahazo medaly volamena roa tamin’ny lalao olympika izy ary medaly volamena valo tamin’ny fiadiana ho tompondakan’ny atletisma eran-tany (4 an-kalamanjana ary 4 tao anaty kianja miafo).
Nahazo « record du monde » maro io atleta io teo anelanelan’ny taona 1997 sy 2001. Nandrombaka in’efatra nifanesy ny « marathon de Berlin » ihany koa izy ny taona 2006 hatramin’ny 2009. Tafiditra ao amin’ny fahombiazany ihany koa fandresena tamin’ny « marathon d’Amsterdam », « marathon de Fukuoka » ary ny fahazahaona in-telo ny « marathon de Dubaï ». Ny 2 septambra 2011 izy dia nahazo ny « prix Prince des Asturies des Sports».
Mametrakan’i Haile Gebrselassie eo amin’ny toeran’ireo atleta sangany indrindra ny mari-pankasitrahana sy ny amboara maro azony.
