ActualitésTsidika

Imerintsiatosika:Nahazo labatoara monisipaly vaovao

Tontosoa ny 16 aogositra teo ny fanolorana sy ny fitokanana ny laboratoara vaovao ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika.

Toerana izay natokana hamonoana omby sy kisoa izay mahatratra hatrany amin’ny 300 isan-kerinandro ity foto-drafitr’asa vaovao ity. Nasolo ilay tranainy teo aloha izay noravana mba ahafahana manangana sy manitatra ireo foto-drafitrasa toeram-ponenana miisa 320 izany.

Madio, maoderina ary hary fomba, izay antoka hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ho an’ny mpanjifa. Nanatanteraka izany fanolorana izany ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire