Toamasina : Hisy ny fanatsarana ny adiresim-pokotany
18 Aogositra, 16h56 Tsy mitsahatra mitombo ny mponina ary mitombo isa ireo faritra sy tany misy fanorenana trano ao Toamasina. Manoloana izany indrindra dia hisy ny fanatsarana ireo adiresim-pokotany ao an-toerana. Manomboka ao amin’ny fokotany Ankirihiry no hisantarana izany, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny kaominina.
