Fiakarana galona eo anivon’ny polisim-pirenena : miisa 60 ireo polisy nahazo izany
26 Jolay, 09h56. Natao ny Zoma 23 Jolay ny lanonana fametrahana galona ho an’ireo Polisy nahazo izany ka miisa 60 izy ireo. 01 no niakatra ho « Commissaire Divisionnaire de Police », 08 niakatra ao amin’ny sokajin’ny « Commissaire de Police », 11 no lasa « 0fficier de Police », 40 no tafiditra ao anatin’ny sokajy » Inspecteur de Police ». Teny amin’ny camp Berthin Razafindrazaka Antanimora no nanatanterahana ny lanonana izay teo ambany fiahian’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa sy ireo lehibe isan’ambaratongany eto anivon’ny Polisim-pirenena.
