Fitandroana ny filaminana : Nampitomboana isa ireo mpitandro filaminana eto andrenivohitra amin’izao fety izao.
Dépêche 26 décembre, 14h30, Raha 2500 isa izany isan-taona dia nampitomboana ho 3000 isa hanamafisana ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fetin’ny Noely teo sy ny fetin’ny faran’ny taona. Tanjona amin’izany mba hahafahan’ny olom-pirenena rehetra mifety anaty filaminana sy fitonian-tsaina. Nampian’ireo mpianatra avy ao amin’ny ENIAP Antsirabe ireo Polisy sy Zandary efa voatendry hitandro ny filaminana eto an-drenivohitra izany. Ankoatra izay dia ampiasaina daholo ireo fitaovana rehetra izay manafaingana ny asa toy ny moto sy fiara, ary indrindra ny fampiasana ireo « caméra de surveillance » miisa 1200 eto an-drenivohitra, izay fitaovana nomena ny Polisy hahafahana manara-maso ary handrindrana ny fifamoivoizana.
