ActualitésTsidika

Famokarana : Zary lasa zezika sisa ny voatabia noho ny hamorany.

Mahonena ny mahazo ireo tantsaha mpamboly voatabia any amin’ny faritra sasany noho ny hafitsoky ny mpanangom-bokatra. Mora dia mora ny handraisan’izy ireo izany ka zary lasa atao zezika sisa hahafahana mamboly zavatra hafa.

« Tsy hita mihitsy izay tombony azo amin’ny fambolena voatabia amin’izao fotoana izao. Mahavokatra betsaka izahay satria mahavatra mikarakara tsara kanefa hararaotin’ireo mpanangona indray dia mora loatra ny handraisan’izy ireo ny voatabia iray garaba. Izy ireo indray no mahazo tombony kokoa noho izahay mpamboly », hoy Monique, mpamboly voatabia avy any Betafo.

« Marina fa aleo mina-kely toy izay mandry fotsy, izany hoe aleo mandray kely toy izay tsy mandray mihitsy. Etsy andaniny anefa dia aleonay mamadika ny voatabia ho zezika indray hahafahanay mikarakara ny fambolena hafa satria raha ny vola azo avy amin’ny vidin’ilay voatabia dia tsy mahakaraka ny fambolena hafa fa tena kely », hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpamboly.

« Ankoatra ny famadihana azy ho zezika azo atao ihany koa ny miara-miasa amin’ny samy mpamboly dia izy ireo ihany no manondrana ny vokatra any amin’ny faritra hafa. Toa an’ny Antalaha izao izay mbola 500ar ny singany amin’ny voatabia iray. Tsy voatery hiandry mpanangom-bokatra foana vao afaka mihetsika », hoy ity mpandraharaha iray naneho ny heviny mahakasika ny zava-misy.

Tsy ny famokarana voatabia ihany no sehatra miatrika izany olana izany fa maro. Izany indrindra no ilaina fanaraha-maso satria mbola ny 80% amin’ny Malagasy no mamboly sy miompy. Vahaolana iray hahafahana mampiakatra ny ekonomia Malagasy ny fampiroboroboana ny seha-pihariana voalohany izay tena mbola maro mpisehatra amin’izao fotoana izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire