Petite Vitesse : Nahazo alalana hiverina hivarotra ireo mpivarotra
Dépêche 26 décembre, 13h30, Taorian’ny fangatahan’ireo mpivarotra izay nisehatra teny amin’ny Petite Vitesse tamin’ny Filoham-pirenena dia nomen’ity farany alalana izy ireo hiverina hivarotra eny an-toerana indray. Nambarany tamin’izany moa fa fety ny andro ka rariny ireo mpivarotra ireo raha hitady vola ka tsy tokony ho ekena ny fanakanana azy ireo amin’izany. Mila hajaina kosa ny fandaminana izay hatramin’ny tsy maintsy hanadiovana ny tsena sy ny manodidina eo isaky ny hariva. Ny fandaminana rehetra anefa dia natao ho an’ny fotoana rehetra izay tokony hanaja ny lamina satria misy ny tsena hahafahan’ireo mpivarotra miasa kan tokony hampiasaina izany.
