Dépêches

Antanifotsy : Mpangarom-paosy tratran’ny fitsaram-bahoaka

Mpangarom-paosy raindahiny no matin’ ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatotsi­pihina- Antanifotsy, afakomaly. Efa-dahy izy ireo no niara nanao ny asa ratsy tamin’io fotoana io ka nanendaka tao amina tsena iray izy ireo ary nenjehin’ny fokonolona ka ny iray ihany no tratra.

Olona maromaro no voalaza fa voaendaka sy voaharom-paosy ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 5 hetsy Ar.

Laisser un commentaire