SocialTatitra

Australie : Zatovolahy miisa fito voasambotra noho ny fanaovana hetsika fampihorohona

Nandritra ny hetsika fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana 400 isa, manerana ny faritra samihafa tao Sydney no nahatratrarana ireo andian-jatovo, mivondrona anaty fikambanana (réseau) mampihorohoro ny mponina. Hatramin’ny nisian’ny trangana herisetra nataona zatovo 16 taona tao amin’ity renivohitra ity, izay nahafaty ireo mpivavaka dia tsy nitsahatra ny nampandry fahalemana ireo polisy. Ny alarobia teo no voasambotra ireo zatovo ireo, izay mivoy ny foto-pisainana mahery fihetsika noho ny antony ara-pinoana. Anatina tambajotra izy ireo ary efa mivelatra ao an-toerana izany. Ireto farany izay nikasa ny hanao asa fampihorohorona, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy ireo hatrany.

Laisser un commentaire