Afrobasket U18 lehilahy : Faharesena voalohany ho an’ny ekipa Malagasy
09 Aogosira, 16h30, Nandritra ny fifandonan’ny Ankoay tamin-dry zareo senegaly no naharesy voalohany ny ekipam-pirenena, izay lalao fifanitsanana isam-bondrona a notontosaina omaly 08 aogositra, tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena mahamasina. Niondrika tamin’ny isa 62 no 70 ny Malagasy tao anatin’izany. Ny iray amin’ny ekipam-pirenen’i Malia na Ginée no hihaona amin’ny Madagasikara amin’ny lalao ampahefa-dalana.
