ConseilTsidika

Sakafo : Fanao amin’ny sakafo ihany koa ny « anis étoile »

Mitovy amin’ny canelle sy ny jirofo ihany ny « anis étoile ». Zava-maniry fanao amin’ny sakafo izy io.

Maro ny tombon-tsoa amin’ny fihinana azy. Manala fanaintainana sy ny rarintsaina ary ny fikorotanan’ny saina izy. Mety tsara ho an’ny olona rera-dava. Manampy betsaka amin’ny torimaso sy ny fandevonan-kanina ihany koa. Manala rivotra amin’ny kibo sy mety amin’ny olona mitohana ihany koa izy. Miady amin’ny tsimok’aretina sy ny bakteria ny « anis étoile ». Tsara ho an’ny taolana sy ny hoditra. Miady amin’ny aretin’ny homamidana no miaro amin’izany ihany koa. Tsara ho an’ny lalan-dra noho izy manampy amin’ny fikorinan’ny ra. Mampilamina ny tahan’ny siramamy ary mety ho an’ny olona diabetika. Tsara ho an’ny atidoha sy ny saina ary miaro amin’ny mety tsy fitadidiana.

Tsotra ny fikarakarana azy. Azo atao dite, ka ampangotrahina ao anaty rano mandritra 3 minitra. Azo atao amin’ny sakafo izay andrahoina amin’ny voany 3 na 4. Afaka mihinana azy avokoa ny sokajin-taona rehetra, eny fa na ny vehivavy bevohoka aza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire